<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>687</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ny tranon'ny Raiko, trano
 madio,
 Tsy misy mahory na zava-
 manjo ;
 Avia, ry malahelo, hankao,
 Mizora, fa Izy hampiditra
 anao !
 // Sambatra re izay tonga
 ao //
 // Faly tokoa //
 Izay tafiditra ao.

[V2]
 Mandalo izao fiainana izao,
 Ka aza sondriana atý hianao ;
 Ny ratsy izay mitaona reseo,
 Ny any an-danitra no mba
 irio !
 // Sambatra re, ..sns //

[V3]
 He, ao no ho hitantsika tokoa
 Ny tavan'Ilay Zanakondry
 madio ;
 Ny mpino tetý no efa ao koa,
 Maniry hihaona amintsika
 tokoa,
 // Sambatra re, ..sns //

[V4]
 Tsy misy manjo izay afa-
 mankao,
 Na andro mahory hitseran'ny
 fo ;
 Fa any tsy misy alina koa,
 Tanàna mazava, fonenana
 soa,
 // Sambatra re, ..sns //

[V5]
 Ny mino rehetra ory tetý
 Tafakatra any ka faly tokoa,
 Mihira ny famonjen'i Jeso,
 Midera ny fiandrianan'ny Ray.
 // Sambatra re, ..sns //</lyrics>
<title>Ny tranon'ny Raiko Trano madio FFPM687</title>
</song>